You are here: home > Vetso

tiako ianao kanefa - Antso32

Azo vakiana?

Tiako ianao
Tiako ianao?
Tiako ve ianao?
Tiako ianao kanefa

Tiako ianao kanefa
Toa voasembatsembana
Ilay fitia izay tiako omena
Sady tsy azoko terena

Voasembatsemban'ny fiainana
Samy manana ny làlany
Izaho sy ianao raha jerena
Tsy antenaina hifanena

Tiako ianao kanefa
Toa kely ny finoako
Satria ianao efa an'olon-kafa
Ianao efa manan-tompo

Meloka aho arak'izany
Raha mitia anao ihany
Ka tsy aleo ve foanana any
Ny fitiavako rahavako?

Raha fintinina,tiako ianao kanefa
Misy rindrim-bato manasaraka antsika
Ka manery ilay fitiavako
Manery azy mba hangatsiaka

Eny, tiako ianao
Tiako tena tiako
Ka raha ny faniriako
Dia ianao no ho vadiako
Indrisy anefa...

Mombamomba

Mpanoratra : Antso32


Nampiditra : lah'fahtra
Daty : 29/09/2017
Mpamangy : 1686
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

ny omaly? ny ampitso?
Tara