Hanoratra aho ho anao (Arlisoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny ventsoventso-poko
No tianao hosoratako ato,
Dia holazaiko marina aminao,
Fa tsy ho ampy izao tontolo izao.

Nefa hanoratra aho ho anao.
Raha izay no tianao.
Nefa hofaranako sahady ity.
Sao tsy ho tianao ka tsy ho fy.

'Reny kalo nosoratako.
Nasosason'ity tanako,
Marobe no tsy voambara.
Nefa inoako fa voarara.

Noraranao mafy re ny foko.
Tsy hamoaka izay koboniny.
Saingy afo mahamay no injany fa mihoko.
Ka nandoro,tsy mety maty intsony.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1949 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arlisoa
Nampiditra : Arlisoa
Daty : 03/09/2014 17:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137