Fitia sandoka (AZRAEL)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo hoe fitia sy tokiny,
Hay ka sandoka avokoa!
Hay fampatoriana fotsiny,
Fa tsisy vokatry ny fo!

Toa trano babangoana,
Maizina mangitsohitso,
Trano haolo sady foana
No hovantaninao rahampitso...

...Nefa aza kivy, mitrakà
Mijoroa ho lehilahy,
Fa raha izay iny koa no lasa,
Firifiry no mikasa?
Firifiry no maniry
Te ho eo anilanao?

...Tsy ampahafiriny iny!
...Mitadiava indray vaovao!
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fananarana - Fitiavana
116 1
Fans: Azrael666
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0107