KODIARAN-TSARETY (AZRAEL)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vitsy fa maro ireo fahavalo
Miezaka hanimba ity fiaina-mandalo
Kanefa ry aiko aza mora mimalo
Fa ny tarainanao soloy kalokalo

Ny aady isan'andro efa tsy omby tratra
Ny kapoakamangidy koa mihoatra ny fatra
Kanefa ry aiko aza kivy sahady
Fa raha mbola eto an-tany tsisy resy tsy miady

Raha sendra naniry ny voa izay nafafy
Tena lainga dia lainga raha hoe tsisy higafy
Kanefa aza kivy fa tovono kiry
Fa ny dobo madio tsy ilaozan-tsiriry

Ity fiainana ity raha atao indray mijery
Dia mila hahaketraka sy hahakely hery
Kanefa aza kivy, mihafia vetivety
Fa ny fiainana an-tany KODIARAN-TSARETY!
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
20 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141