Mba tolory fahasambarana (AZRAEL)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fitempoana anaty fo mangina,Misy fisentoana miofo ho faniriana,
Misento anao mangina, mandray anao ho tiana,
Saingy feno fanahiana, ka miangavy aza ariana...
Misy tsimok'hazavana aminao mba andraindraiko
Hanazava ny haizim-pito izay mandrakotra ny aiko,
Miandrandra anao anatin'ny alina, hampisinda ny adin-tsaina
Hampitsimoka hazavana sy ho masoandron'ny maraina...
Misy nofy mihalohalo, misy embona tsy miala,
Misy hatsiaka, hirifiry, tafiotra, orana fanala...
Miandry anao raha sitrakao ilay foko manirery
Aty an-tanim-pahoriana, miandrandra anao mba hampahery!
Misy aloka hafahafa, misy zavona sy erika,
Misy hira hafahafa ventsoventso mihamilentika,
Ianao no andrandraiko, irariako ho avy androany
Hampitony izany foko sasan-tsasatra tomany!
--------
Lien:
Fans:
Azrael666
