RAHA IZAY NO SITRAKAO (AZRAEL)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tianao ho maizina ny androko rehetra,
Raha tianao ny hiainako fijaliana tsisy fetra,
Raha izay no sitrakao, tsy maintsy hoe handao,
Dia avelao ny fiainako ho potika sy lao

Raha sitrakao ny androko tsy mba hisy haniny,
Raha sitrakao ny fiainako tsy mba hisy maminy,
Raha tianao ny hiainako anatin'ny toloko,
Dia ilaozy ny fiainako, ilaozy koa ny foko

Raha tianao ny fiainako ho rakotra alahelo,
Raha tianao ny hiovan'ny fanahiko ho avelo,
Raha sitrakao ny hamela ho ahy ratra anaty,
Dia ilaozy ny fiainako, avelao aho ho faty!!!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
584 1
Fans: azrael666
Commentaires
Azrael666 ( 01/05/2023 17:15)
Mankasitraka feno an' Ikalamako sy Hery aloha e. Tena hoatry ny tsy zah reny ery no nanoratra an'ilay tononkalo rehefa antsainareo fa manja e
ikalamako ( 01/05/2023 22:49)
ianareo no isaorana mizara ny kantonareo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AZRAEL
Inséré par : azrael666
Date : 24/11/2022 13:33
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148