TSY HARIAKO NY OLON-TIAKO (AZRAEL)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia mila tsy ho zakaNy esoeso sy ny latsa
Ataon'ireo fianakaviako
Tsy hariako ny olon-tiako
Na dia hamoizako ny tany
Ny harena sy ny lova
Tsy olana f'aleo ho any
Fa ny fitiavako tsy hiova
Na hanenjika ahy koa
Hatramin'ny tafi-panjakana
Tsy hampiova ny ao am-po
Zay sakana sakana sy fandrarana
Na dia hoatran'ny adala
Tafahoatra fefim-bala
Tsy hariako ny olon-tiako
F'izy no efa nofidiako
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
hery
(
19/04/2025 08:01)
Kay ato daholo ilay tononkalo.
Azrael666
(
19/04/2025 17:33)
Ye. Hovakivakian'ny taranaka rahatrizay e
