ILAY RAFINAO (Bien aime)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a !Etsy mba henoy aho....
Na aza tsy ho lazaiko
Nefa tsy maintsy ho fantatrao ihany
Ka sao ianao hanontany
Dia tsoriko eto androany
fa misy any ho any,
misy rafinao
Ilay tiko toy ianao
Izay tsy haiko ho simbaina
tsy sahiko ho ratraina
na koa ambaniana
ny fisiany.....
Ka mandraka ankehitriny
Mbola tiko ,tena tiko loatra izy
na amin'ny mamy na amin'ny mangidy
Fa izy no mpanarina ahy amin'ny sampana tsy izy
mpampitsiky ny foko
raha sendra mitoloko
Raha iny aho mitanondrika
Ka lazaina etoana,sao ianao maika hiantoraka.....
Fa tiako ianao hahalala
Izy anie taloha e,fa ianao tafara
Saingy na izany ,aza araraka tomany
Ilay rafinao.....?
tsy iza akory izany
fa ilay ''ASA SORATRA ''ihany
bien aime 04/02/19
--------
Lien: