Ny Endrika soa (Charles And de Stella )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miserana sy mampahory,
‘Lay endrika maha-te ho tia,
Rehefa ka lasa matory,
Ho lovan’ny fasa-mangia.


Ny bika manaitra ny saina,
Tomady sy tena mijoro,
Somparana ve tsy hangaina,
‘Ty nofo ‘zay mora mikoro!


Ry fahafatesa-mavany,
Nanala ireo olo-malala,
Ny ENDRIKA BIKA HATSARANY,
RAVANA NAHINTSANA, NIALA!


Ny fasana ve no adala,
No mety manangon’ izany?
Sa dondrona tsy mahalala,
Ny senton’ny fo bangàny.


Fa sembana mafy tokoa,
Ny saina ny fo sy fanahy.
Mitady ‘lay endrika soa,
Voahidin’ilay rangolahy!


Fa sembana tsy vazivazy,
Ny masom-pitiavako izany,
Mahita ‘lay ts’isy toa azy;
‘Lay ENDRIKA ho vovontany!

Kanefa maninona moa?
Fitiavana ny hatsarana.
Alahelo ny ENDRIKA SOA,
Ho simban’ny FAHARAVANA!

Ny ENDRIKA, ENDRIKA SOA,
Hindramin’ny velon-drehetra,
Mba sembana mafy tokoa,
‘TY ENDRIKA FA MANAM-PETRA!

03.jolay 1971
--------
Lien:
1334 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Charles And de Stella
Inséré par : naivokarenjy
Date : 29/10/2010 11:35
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136