REHEFA TIA (Déjà HJN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia ianao dia tiavo fotsiny ihany ;
Fa aza mieritreritra hilaza izany akory ;
Tehirizo ao naty ilay eritreri- mamy ;
Sao vaky fefiloha ‘ty sisin’ny kamory ;

Nahoana raha mangina fotsiny amin’izao ;
Sao ny sarobidy no ho tonga very hasina ;
Hiverina im-piry moa ny sotrokelinao ;
Vao mety haharitra izato ranomasina ?

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hitombo tsiro ny rakitry ny fo ;
Filamatra iray no holazaiko anao,
Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa,
( HJN Déjà, 2025, rehefa tia
--------
Lien:
330 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Déjà HJN
Inséré par : Ilay FANAMBY
Date : 28/08/2025 13:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114