Ampidiro aloha ny tenimiafina
REHEFA TIA (Déjà HJN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia ianao dia tiavo fotsiny ihany ;Fa aza mieritreritra hilaza izany akory ;
Tehirizo ao naty ilay eritreri- mamy ;
Sao vaky fefiloha ‘ty sisin’ny kamory ;
Nahoana raha mangina fotsiny amin’izao ;
Sao ny sarobidy no ho tonga very hasina ;
Hiverina im-piry moa ny sotrokelinao ;
Vao mety haharitra izato ranomasina ?
Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hitombo tsiro ny rakitry ny fo ;
Filamatra iray no holazaiko anao,
Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa,
( HJN Déjà, 2025, rehefa tia
--------
Rohy:
