Afo ny fitiavana (Daniel.R)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afo ny fitiavana
Ka tsy azonao lalaovina
Betsaka ny sakana
Fahoriana no ho raofina

Afo ny fitiavana
Ka tsy azonao sangiana
Lazaiko indray mitambatra
Fihafiana,fijaliana

Afo ny fitiavana
Mandoro mahamay
Raha tsy vonona ny vatana
Dia aza milomay

Afo ny fitiavana
Ka mora ampiretina
Tsy maty na tondrahina
Ny hiafarany lasa aretina

Afo ny fitiavana
Ka mora hisisihana
Saingy sarotra hivoahana
Fa mora raha hidirana
--------
Lien:
3799 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139