"ANKEHITRINY" (Daniel.R)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny karazanyRaha ny kanto no resahina
Saingy hafa nohon'ny sasany
Ireo hiram-pivavahana
Tantara samihafa
Alefa an'onjam-peo
Dia hita fa tena hafa
'Lay natao indray miseho
Ny angano koa anefa
No natolotra ny ankizy
K'ireo sary izay nalefa
Kisarisary tsy tena izy
Tany tsisy mozika babangoana
Zary hanintonana ny sofina
Saingy ireo teniteny foana
Nanjary setroka mahakofona
Noforonina ny tononkalo
Handrotsirotsiana indray ny saina
Saingy indrisy natakalo
Ny an'ny vahiny ilay kolon-tsaina
Nomena indray ary ny kabary
Izay fomba tena gasy
Nefa very ilay soa toavina toa fary
Fa ny lefona fahiny aza nosoloina basy
Manintona maso ny hoso-doko
Kanefa tsy jerena akory
Ka mba lasa ny amboroako
Hoe sao ary ianao efa tsy gasy intsony
--------
Lien:
Commentaires
Masoandro Mainty
(
20/02/2017 11:56)
tena mahavariana tokoa
fa ataon'ny "Gasy" toa valalan'amboa
ny kolontsaina navela ho lovany
ka ny an'ny hafa no faheziny
fa ny azy kosa toa naleviny
fa ataon'ny "Gasy" toa valalan'amboa
ny kolontsaina navela ho lovany
ka ny an'ny hafa no faheziny
fa ny azy kosa toa naleviny