Mba ampaherezo (Kintan'ny Natiora)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tampon-kavoana tsy ilaozan’akangaRy bozaka lava fierem-borokely
Ry ala fonenan’ireo voromanga
Mba ampaherezo ny fo izay voavely
Ry rano madio izay misosa any an’ony
Ry rivo-malefa-pitsoka any ho any
Ry vola-mazava mitoetra eny ambony
Mba ampaherezo ny fo mitomany
Ry masoandro mody madiva hisoka
Ry rahona maloka mamelovelo
Ry kotro-midona fa tsy hita popoka
Mba ampaherezo ny fo malahelo
Ry avana izay maroloko sy kanto
Ry lala-mahitsy falehan’ny maro
Ry onja mitopa sy milantolanto
Mba ampaherezo ny fon’ny mimalo
Ry kinta-mamiratra tsy tambo hisaina
Ry zavona fotsy manoatra ny voaly
Ry felana manitra eny anjaridaina
Mba ampaherezo ny fon’ ny mijaly
Ry ora-mikija hamonto ny tany
Ry ando tsy saraky ny andro maraina
R'ilay Saha Edena fonenana mamy
Mba ampaherezo ny fo mitaraina
Ry feon’anjely miredona hoby
Ry tany volena mahefa ny adidy
Ry vorona manao andiany hody
Mba ampaherezo ny fo mila ho kivy
--------
Lien:
Catégorie :
Marsa 2024
Fans:
SamMakavela - Tandrify12 - Haja0001 - Telofangafi - Henintso - Misaela - ydealy - Victoire1 - Lydianne - richard01 - Sandanirina - Iantefana - Nathali - Valeasariaka - Fenohasina1 - Fanoharana1 - Pascalerazafy - Fenotsiki - Tiavinaa - rijaratiarimanana - manjelatra - danielroimemy086 - Kantosarobidy - Silany - Nyrailovi - Tianamanantena - Ranjarasoa - Marikandro - hery - telomirefy - ikalamako - Mamiii - Vetsompitia - SANAKERIB - Vanintso - Famenoirina - Fiantso - Tinalahatra - Fikasana - Sitrakafi - Fhiderana - Fitii - Saafira - Saambatra - Voavonji - Noeliva - Hobinakely - Herilantosoa - Edenasafira - Tsikinifalina
Commentaires
Vetsompitia
(
28/03/2024 06:40)
Izao no tena hoe aingam-panahy
Toy ny mamaky ny tononkalon'ireo Zoky tany aloha tany mamaky azy
Toy ny mamaky ny tononkalon'ireo Zoky tany aloha tany mamaky azy
hery
(
01/05/2024 22:00)
Nahazo ny loka fahatelo tamin'ilay fifaninanana tononkalo Marsa 2024 ity tononkalo ity. Nandefasako email ianao momba ny fanomezana ny loka.
ikalamako
(
02/05/2024 07:39)
Tiako koa aloha ity e. Arahabaina eee