NOFY MAZÀNA (FahNamby)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY...MAZÀNA

Mazàna ianao tsaroako
Indrindra rehefa alina sy maizina ny tany...
Mientana ny foko
Mitroatra te hitady 'zay misy anao hatrany.

Mazàna ianao miserana
mandalo anaty nofy sy mameno ny alin_kisako...
Indrindra tsy azo ferana
Ny fo mitady anao ho tompom_paradisako.

Mazàna isika mihaona
Mifampiondakondana sy toa malaina hisaraka
Fa saingy zava_poana
satria anaty nofy no hany mba tafaraka.

Mazàna isika miady
Indrindra mifanditra sy tsy mifampiteny...
Dia tsy mifampitady
Soa fa nofy ihany ireny rehetra ireny.

FahNamby
31/12/17
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1064 1
Fans: rfahendrena
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : FahNamby
Inséré par : rfahendrena
Date : 10/01/2018 04:28
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145