Tovovavy iray (Fanilo Masindahy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovovavy iray no indro tazako...
Namikiviky mafy tamin'ny oram-baratra iny
Narahin-dranomaso toy ny donam-pahoriana
Angamba hoy aho iny nilaozan'olon-tiany...
''
Niezaka nanakana aho, hoe mba mijanona kely
Fa ho aiza am'ity oram-be,sy ny kotroka mahery
Fa ianao ve manan'olana?
Hoy aho mba nanontany fa izy tsy namaly
Fa ny ranomasony no nasetriny avy hatrany
''
Izaho moa tsy naharitra...
Nahita azy torovana sy nangovitry ny hatsiaka
Ka nomeko azy ny akanjoko fa izy nangatsiaka
Ary tsy nitsahatra aho namerimberina ombieny
Hoe misy olana ve? Lazao fa aza kobononao irery
''
Fanontaniana no navaliny...
ka somary navariana, hoe rehefa lehilahy ve?
Dia tsy mahatazona , ny voady zay napetrany
Nihanahana teo aho saika tsy hitako ny havaly
Tsy voatery hoy aho fa, samy manana ny toetrany
''
Izany ve no marina hoy izy, sa hoe mody izany?
Veloma ianao hoy izy,fa izaho hanohy ny lalako
Ka ity ny akanjonao, fa izaho hianavaratra any
Miangavy aho, ataovy toy ny tsy hitanao...
'
Mbola hitohy
...
--------
Lien:
105 1
Fans: Fanilo007
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fanilo Masindahy
Inséré par : Fanilo007
Date : 08/03/2026 03:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117