R... MAMIKO (felandefona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiko tokoa ianao
Eny tena mamiko izany
Teny mamy avy aminao
Mamy be tahak’izany

Eh ! izato tsikinao
Manambara hafaliana
Tsiky mamy toa anao
Eny tsikitsikin’olontiana

Endrey izato masonao
Mipitrapitra mahonena
Fa ny tena my dia izao
Ny taratr’io mameno tena

Oay ! izato anaranao
Satry foana hotononina
R… mamiko ianao
R… tsy haiko ho hadinoina

Mamiko tokoa ianao
Sy izay rehetra momba izany
Lalaiko daholo izay atao
Raha noho ianao ihany

Ny ankamamiako anao rehetra
Eny tsy voasoratr’ity tanako
Ny hamaminao tsy manam-petra
Tsy ho voalazan’ito vavako

O ! ry R… tiako loatra
Indro asandratro ny vavako
Na dia tsy ho tsara voatra
Ny teny kely mba voalazako

Mamiko ianao fa havako
Ry R…ko mahery setra
Anao irery ny fitiavako
Anao irery tsy misy fetra

N.A.F
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : felandefona
Nampiditra : felandefona
Daty : 03/07/2009 13:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146