You are here: home > Vetso

INDRISY...(tohiny) - felandefona

Azo vakiana?

Indrisy re ry aiko
Fa toa tsy afaka ato an-tsaiko
Ireo lasa nijaliako
Izay nampitoloko

Mikiky ny ato am-poko
Manditsoka ny masoko
Mahakotsa ny tavako
Mampitaraina ny vavako

Nandramako nesorina
Nezahiko nendahina
Toa zava-poana
Lasa ihany ny fotoana

Koa miangavy aho mitalaho
Inona no azoko atao
Hanadinoako ny fahiny
Hanatrehako ny ankehitriny

N.A.F

Sokajy : Alahelo, Fitiavana