*HANGINA* (fy kalo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hangina aho ry tianaSatria mahalala tsy tiana
Tsy hitaraina @nao reo fijaliana
Na dia mafy aza ny fangirifiriana
.
Eny hangina aho
Raha izay no sitrakao
Hitana izany ho ahy ao am_po
Ary hampangina ilay fitiavako ihany koa
.
Hanoratra aho sisa
Ilay tantaram_pitiavantsika
Dia hamoaka ny haingam_panahy
Nefa hangina aho fa aza manahy
.
Raketiko ho diary
Ilay tantara nampaharary
HANGINA sy hitazona tsiambaratelo
Ity foko malahelo
=>Fy kalo
23/05/12
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
fy kalo