Ity tomany ndranomaso (fyFy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tomany ndranomasoTsy hay hazonina ity ranomaso mangina,
Mikoriana moramora, mitantara tsy hita,
Fa izy irery no mahalala
Ny hirifirin’ny ao am-po lalina.
Rehefa mibitsika ny feo ao an-tsaina,
Toy ny rivotra mikasika mangina,
Dia mirotsaka indray ity tomany,
Toy ny orana avy any an-danitra tsy voasakana.
Na hafaliana manjelanjelatra,
Na fahoriana manindrona fanahy,
Dia mitoetra foana ianao,
Ao anatin’ity ranomaso tsy mety ritra.
Zato, arivo, tsy voaisa akory,
Mameno tontolo iray manontolo,
Ka ny foko irery no vavolombelona,
Amin’ity tomany tsy manam-pahataperana.
Mpanoratra Fy
--------
Lien:
