Ho an' i Mama (gervais RANAIVOSON)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehibe 'zahay 'zaoSafononoka hasambarana
Noho ilay hanatrao
Bedibedy tsy hay tohanana
Noheverina ho adalana
Rediredy serimonina
Hay vatosoa tsy an-tsahala
Nampita aina tena bonina
Notoherinay hatrany
'Reo tolo-tsainao ry mama
Noheverinay hanihany
Sy revin'antitra mazana
Ankehitsiny'zay vao tsapa
Hay lalan-tsoa 'zay sarobidy
No namonosanao ny lasa
Mba hatafita 'reto ankizy
Ny hafalianao aza indraindray
Dia natolotrao ho sorona
Mba hitsinjo ny ho avinay
Ho olom-banona ho vonona
Misaotra betsaka ry mama
Tsy ho voavaly 'zay nataonao
Sary mamy tsy hay fafana
Voatahiry ao am-ponay ao
--------
Lien:
Fans:
gervoocs