Ho foana hono ny zavona, (Gin Yellow)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho foana hono ny zavona, hibaliaka ny masoandro
Hatrizao tsy mbola niova ny jadona isan'andro
Tapitra nanakona azy ireo lainga feno harona
Milaza tia tanindrazana,tsy hay hatramin'ny tantaran-dRanavalona
Gaboraraka no hita,rakotra kôzy be masiso
Ny antenaina hanazava indray no mazana mpanao risoriso
Jereo ireo mpisoloky mihorakoraka eraky ny làlana
Mpiasam-panjakana hono na BEPC tsy ananana
Eto am'tsika fahefana no imatesana fikajy
Izao anefa dia voalaza fa hamirapiratra ny ho avy
Aely hatraiza hatraiza atao rehaka etsy sy eroa
Hamirapiratra amin'inona ary ho aiza moa??
'Ty no zava-misy mampangoraka eto am'firenena
Ny sasany tsy misy afatsy ny hampikepoka ny harena
Dia samy manao izay hamenoany paosy vetivety
Mpitondra hanirim-pahantrana no asondrotra barety
Fa fitiavan-tena lava no manjaka eto an-tanàna
Variana miady seza ireo mpitondra fanjakana
Ka raha alefa etsy sy eroa ny saina dia vaka
Fa toa fangejana no hita manjaka

Gin Yellow

"ETO DAGO"
--------
Lien:
Catégorie : Politika
928 1
Fans: ginyellow8
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Gin Yellow
Inséré par : ginyellow8
Date : 22/09/2015 20:31
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016