Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ambohimiadana (H.Nirina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBOHIMIADANA.
Eto no vohitra iray nitoerany
Nikolo,nitaiza 'lay volan'ny foko
Teto no nisy ny akany namelana
Nahary ny nofy,nanjary ho nofo
.
Teto no nisy maraina tsy hita
Kanefa voatsilon'ny fon'i Masoandro
Teto no "ary" 'lay hazo namita
Hibanjinana indray 'zany lanitra avo
.
Teto 'zay 'lay niankin-drindrina izay
No nentin'ny rivotra handao ny fonenany
Dia tany no nisy nitonona ho Ray
Ka nanaovany voady,ho tany hilevenany
.
Tany fodiako 'lay Ambodiriana
Fa any no misy an'ilay fara-tazana
Fa ny eto matoa mbola vangivangiana?
Tsy fantatro i Neny,raha tsy ity Ambohimiadana
.
H.Nirina
--------
Lien:
Catégorie :
manokana
Commentaires
raims randriamalala
(
28/01/2018 13:54)
ambohimiadana aiza io ry H Nirina, itaosy sa...?
mafinaritra leroa mampanembona ny any itaosy any izany
mafinaritra leroa mampanembona ny any itaosy any izany
Heri't mick
(
11/03/2018 05:00)
Sao dia Ambohimiadana Andramasina?
