HAMONO TENA AHO 2 (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Fa inona ity atao,fa toa faly ery ry bavy ?
-Mandoalika mibitaka, toy ny olona voasazy
-Mbetika mitsangana,mbetika mipetraka
-Avy any ampiasana anefa tsy mba valaketraka.

Hafa mihintsy ny androany, hafa mihintsy oa
Tao anaty bus izaho, no nahita tovo lahy
Tovolahy bikana no sady tena tsara kata
Resiny ny fo ka haviatrany aho dia nihanta.

-Fa ianao ity ve adala, toa tsy nisaina akory
-Zavatra toy izany ihany no mety hampahory
-Mety ianao tia fa izy tsy ho tia anao akory
-Mba fohazy oa ny saina fa aza avela hatory.

Efa nilaza tamiko izy fa very ianao ry dahy
Nobanjiniko ela izy, dia mba nibanjina ahy
Avy eo nify maso, mba hanatonako azy
Dia nilaza izy fa hoe tia sady tsy nivazivazy.

-Bavy a, mba diniho ihany ny zavatra hatao
-Bandy vao nahita dia efa sahy hikoty anao
-Amiko tsy ianao no tiany fa ny fihetsikao
-Dia ny vatanao no reveny hataony kilalao.

Io indray ry Dahy fa hanomboka aka lagy
Tena tia izahay fa tsy hoe sanatria blagy
Hoavy izy ny hariva, fa hivoaka kely izahay
Dia handrahoy ny kaly dia mba ataovy milay.

-Bavy,raha azo atao re mba fantaro tsara aloha
-Hoe bandy tena matotra ve sa hanao kitoatoa ?
-Raha tena tia anao izy,ny atoandro alefa aty
-Raha andro hariva izany, sao hanimba andry

Ny hevitro efa tapaka tsy azonao sakanana
Toe-tsaina otrizany, tsy hampisy fivoarana
Aleo aho hiomana fa toa mandreraka ianao
Sady efa hoavy ihany koa,sipa kely sipanao

(Ny ampitso maraina )

-Izao ve ianao ry bavy vao mba nahalala nody
-Fa ianao ity ve adala sa efa tena azon'ody ?
-Ilaozanao mijery fotsiny izaho anie manotany
-Odry fa inona koa ity toa nirotsaka tomany ?

Tena voafitaka aho, tena loza ity ry Dahy
Efa lasany daholo ny rehetra momba ahy
Simba ny vatako noho ilay tsy manjary
Noheveriko mba saka hay izato izy kary.

-Mitonia aloha ianao dia hazavao tsara
-Aza mitomany rehefa ianao mitantara
-Tsy manjary ahoana fa nga tsy hoe bikana
-Milaza tena tia nefa izao dia tsy tamana.

Very hevitra aho ry dahy,fa izy manambady
Fa ny toky izay nomeny,hay tena feno vandy
Fianako potika, tsy misy tokony hivelomako
hamono tena aho, ny ratsy vitako hifonako.

Page fb: H_Eric
--------
Rohy:
982 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 08/05/2020 19:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146