RESY AHO (Zoky Eric)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy aho ry fiainako, fa aleo mba hivoakaResy aho ry fiainako, ka mila hitsoaka
Izay hatao rehetra, tsizarizary
Resy aho angamba ka toa lasa narary
Ty fiainako mahantra,mampahonena
Ny androany tsy vitako,ny hafa indray no jerena
Miezaka foana mba ho tafita
kanefa izay atao toa lasa tsy hita
Resy aho ry finako, averiko etoana
isan'ora ,isan'andro ary koa isantaona
Resy aho angamba, ka tsy mahita ny ombana
Maizina, kitroka ,manakona ilay hazavana
Azoko antsaina ireo ho avy amaraina
Mety ho feno tsiky, ka ho foana ny taraina
Ireo ratsy natao, ezahina mba hialana
Ny fahasambarako, izay no fikasana
--------
Lien: