TSY HAY VONOINA (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety lefy ato ampoko ny fitiavako
Mikiky ny ati-foko,manamaloka ny tavako
Tsy mety haiko ny mifehy ka hoe handao
Na dia hitako aza fa lasan'olon-kafa ianao.

Efa nasehonao ny masoko,fa efa lasa ianao
Navelanao ny foko fa ianao nifidy vaovao
Nefa tsy haiko ny hanadino ireo lasatsika
Toa satriko indray hanafana ilay hatsiaka.

Niezaka aho ny nanadino ka nitia olon-kafa
Nanao izay tetika rehetra, fa tsy nety voafafa
Hafa ihany ianao, tsy ho haiko hadinoina
Ianao teo antratrako tsy mety maty vonoina.

Ianao no anjeliko paradisako eto antany
Nefa atao ahoana moa ny hamerina izany ?
Ny sisa haiko atao dia mitia anao mangina
Manonofy ilay orokao rehefa takariva sina

Page fb: H_Eric
--------
Rohy:
737 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 08/05/2020 19:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103