ZANAKY NY ALINA (Zoky Eric)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toky maro no efa napetrany
Ny voady hoe ho mandrakizay
Indrisy anefa fa nisy fetrany
Tafasaraka ilay fo niray

Fo niray ka nefa nisaraka
Satria lefy izato fitiavany
Diso matoy ka niraraka
Olon-kafa indray no malalany

Dia rava ilay fanam-badiana
Ity zanany tsy no jereny
Mafy ireo teny nifamaliana
Sy ireo ratra maro nomeny

Nanomboka teo aho irery
Niezaka ny hitady vola
Kanefa tsy nisy nijery
Nandrandrana ny loha sola

Narary mafy ny zanako
Tsy hitako izay ho jerena
Vola tsy nisy teo antanako
Ka naleoko dia nivaro-tena

Eny, simba tokoa ny fiainako
Rava noho ilay mpamitaka
Tsy nisy olona azo nitarainako
Mpivaro-tena,ka maro mpisitaka

Indrisy mantsy ry fiainako
Fa tena tsy fidiny ho ahy
Ny hivarotra izato tenako
Dia lazaina ho tsy manam-panahy

Eny izaho ilay zanaky ny alina
Tsy mendrika ny ho hajaina
Maloto tarehy feno arina
Aminy alina ihany no hilaina

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1038 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : H_Eric
Daty : 22/08/2019 19:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011