FAHATSIAROVANA (Hasina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lalana kely nizoran'ny fokoNy embon'ny lasan'ny vanim-potoana
Zary niraikitra toa hosodoko
Marevaka be ao anatiko foana.
Ny hira manako sy re eny ho eny
Toa mampatsiahy ny andro fahiny
Fa misy ny gadona iray tamin'ireny
Mampiombona antsika amin'ny ankehitriny
Ny tontolo tazanin'ny maso rehetra
Toa mampahatsiahy ilay fiainana iray
Anarana velona mbola mitoetra
Fisiana tsy hadinoko mandrakizay
Na aiza toerana hiodinak'izao
Mandindona foana tsy rem-pahalovana
Itambaran'ny eto sy any aminao
Velona foana rafahatsiarovana
--------
Lien:
