VOASORATRA (Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao raha notiavina sy najaina fara-tampony,
Dia tsotra ihany ny antony.
Tsy hoe ianao niangara tamin'ny endrika amam-bika,
Na toetra tonga lafatra tsy misy iray mipika.

Tsy hoe ianao no mendrika tsy misy izay kilema,
Raha sendra ka mitaha amin'ny tovovavy sasany.
Tsy hoe ny felanao no mamiratra jerena
Amin'ny vony sy ny satany.

Tsotra ho'aho no antony.

Satria ny zaridainako, no efa nofaritana
Hampisy anao mamelana amin'ny andro loha-taona
Tsy misy izay hidiran'ny Kisendra sy ny vintana
Fa satria isika no efa nisy talohan'ny fotoana

Firy teto moa ny raozy mba naniry nampamiratra ny vanjany
Firy no namony fa nalazo avieo ny fanjany
Rehefa nodaninin'ny andro nifanesy
Firy firy teto no nikiry mandra-maty kanefa mora resy

Ianao raha notiavina sy najaina fara-tampony
Dia tsotra ihany ny antony
Voasoratra ho ianao no niandohan'ny fisiako
Rariny sy hintsiny raha toa ianao no tiako
--------
Rohy:
30 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hasina
Nampiditra : Hansinosoavina
Daty : 24/10/2026 08:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0094