Nisoka (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISOKA

Teo am-panomanana ny hoavy antenaina !
Eny, efa an-dalana hitsena ilay maraina,
nitondra sombinaina,
tsy dia nitaraina
fa iny lasa ianao,
nikopaka nandao !

Ilay olona notiavina
tsy mahalala ny hotadiavina
fa nikasa ny hiseho,
hamantatra an'ireo
nahitanao ny masoandro
sy ny havanao kinanjo
niseho ny tsy nandrasana...
iny ianao fa lasana !

Ny havana aty lavitra no kepoka mandre
"Fa dia nahoana re
no misesy izato loza
fa ny olona handova
no iny mialoha lalana ?
Manoka-baravarana
ny fasan-kitahiry
sy efa nahalany firy?"

Teo am-panomanana ny ho avy andrandraina
Teo am-pitondrana an'ilay silaky ny aina
Tsy tonga ny maraina dia ianao efa nandao
Mandria am-piadanana hoy ireto havanao.

Heriarilala 08-02-25
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
53 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112