Ombona (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMBONA Any ho any, ireo nitsabo k'afa-nenina saingy mbola tsy mahafoy
Eto kosa, misy saina iray badenina satria tsy afaka manjohy
Mirotsaka any ny tomany, mangasihasy ny kamboty
Ny aty mipitrapitra ihany f'efa tsy afaka manopy
Any ho any, ireo fo tsy mahasaraka kanefa re tsy maintsy mionona
Aty ny saina valabalaka, ny hamoy tsy mbola vonona
Dia ranomainty no akoriana hanobatobaka ny sento
Ho fiombonam-pahoriana, ho mari-po miara-mitepo
Tsy hitanisa, tsy manan-teny hotantaraina fa vahotra eto izao ny lela
Paradisa, ho azy izay no andrandraina fa ny otany voavela.
Heriarilala, 4/07/23 Antsahakely-Miarinavaratra
--------
Lien:
