Ratsy zavatra ankafizina (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ratsy zavatra ankafizina

Eo ambony ra latsaka no itavandrana fahombiazana
Antso lava tsy mitsahatra no fomba entina hitadiavana
Terisetra am-pinday no entina mitaky vola
Raha tsy izany ny havanay dia ho faty sy ho tola.

Efa azony ny ilainy dia mbola tsy mamotsotra izy
F'ilay tompoiny sy hajainy ange mitaky ran'ankizy
Dia very hevitra ny maro, ny havana mamoy fo
Fihetseham-po mifangaro ny an'izay tsy mbola voa.

Tebiteby, taintaina, ny an'ny olon-tsy voakasika
Androany avotra aina, fa ny ampitso ve voafaritra ?
Iza no ho very zanaka? Sa ny lehibe tsy ho hita koa ?
Miondrika mivavabavaka, feno tahotra ny fo.

Misy koa fanadalana fa tsy sorona tinaky
Fitiavam-pandravana ireo olona hita faty
Ianao mitebiteby mihitsy no fifalian'ny tompon'antoka
Ianao tomany tsy mitsiky, ianao tsy faly malomaloka.

Ianao ilay mihorohoro mafy no fifaliany sy andihizany
Ny tomaninao mila tsy ho tanty, no iasany sy ikirizany
Tsy misy tombony ho azy akory fa ny korontana no tiany
Izay no itsikian'ny fony, eny izay no tena iriny.

260727 21:25
Heriarilala Andriamamonjy
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fiainana
16 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113