VETSON-JANAKA (HERIMIKALO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Dada sy Neny malalanay izany
Ianareo no nitaiza, namafa tomany
Tsy mba nitaraina fa niezaka hatrany
Nanao izay hahasoa ity akany

Ireto ankizy amin’izany tsy avela hiafy
Toloran-tsakafo ary koa ny fitafy
Fady anareo ny am-pangasiasy
Fa sedraina avokoa na mora na mafy

Faly aok’izany ireto sombin’ny aina
Manana andry tsy mety malaina
Tsy mahatsindry loha rehefa maraina
Ho an’ireto ankizy…ilay sombin'ny aina

Raha sendra mba tara ny fodiana @ alina
Tsy matombotsiraka, tsy matelin-kanina
Migadona ianao izay vao milamina
Ny fony sy sainy…izay tsy saro-patarina

Rehefa misy fotoana hifamalina
Dia hontsa ny fony ka aleony mangina
Marary ny ainy ka velom-panontaniana:
"Izao ve ilay zaza izay mba niriana?

Fitiavana anefa no nasetrinareo
Ireto zaza adala toa mampiaka-peo
Nefa ianareo tsy mba kivy na leo
Fa vonona hatrany hanohy ny adidinareo.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1156 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : HERIMIKALO
Inséré par : HERIMIKALO
Date : 12/10/2013 08:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164