AOK'IZAY (heriy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka izay, ry tiako,ny manao izay mankarary ;
aoka izay fa fijaliako
'ty mba andro tsy manjary.
Aoka izay, malala,
ny mandrotsaka tomany ;
aoka izay fa tsy mba hiala
'lay anao irery ihany.
Aoka izay, ry mamiko,
ny manao izay mampahory ;
aoka izay fa mbola halamiko
'reo mitondra sorisory.
Heriy
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo - Aingam-panahy