lakalaka (hi hi)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia asa loatra fa lakalaka
Lakalaka tsisy faka
Ny heritreritra indraindray

F'ianao mihevitra azy ho tsara
Tsy izay anefa ilay anjara

Dia gaga indray aho rehefa avy eo
Fa tsy arak'ilay teo
...akory izay zavatra nandrasako

Nanantena ny tsy misy
voafitaka indrisy...

Aleo mandinika ihany
Vao mirotsaka amin'izany
Sao sanatria ho voa toa ahy
Fa niseho ho sahisahy

Misaina aloha vao manao zavatra
Sao ianao ho tafajabaka
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
950 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : hi hi
Inséré par : jo1
Date : 21/06/2012 11:57
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145