Lasa (hi hi)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indrisy fa ilay andry niankinanano indro fa nikoro
noraofin'ny ankaso ka tsy afaka nijoro
lasa, nopahon'ny taona
lasa, norombahan'ny fotoana
iza indray no antenaina
mba hamelona ny aina
saikatra indray ny penina
ny alahelo, tsy hay afenina
Fa, lasa ianao
Rado, tsirin'ny aingan'ny fanahy
no indro lasa, any ambany rangolahy
Behoririka, 23/09/08
11h 27
--------
Lien:
Fans:
endrika01