Hatsarana (Iaho)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Volamena tsara tefy no ilazako anao
Fa ny aminao rehetra, midorehitra avokoa.
Ny masonao sariaka, toa volana baliaka
Ny molotrao mitsiky, toa lisy manjopiaka

Ny endrikao rehetra, tara-pifaliana
Mamafa ny alahelo, mamafa hakiviana
NY angolan-teninao, ny angolam-pihetsikao
Hantahanta, doladola... Tena kanto lahy ianao!

Ny hatsaranao, ry sakaiza, teliko avokoa
NA bika tarehy, samy kanto, samy soa.
Na endrika na toetra, mambabo fo.
--------
Lien:
Catégorie : Namana
1745 0
Commentaires
mpiserasera ( 27/08/2009 18:00)
izao ve ilay hoe izay tiana mitombo tarehy ? hihi !Kanto laladava zany !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Iaho
Inséré par : Aingankalo
Date : 21/08/2009 07:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152