Aoka izay angamba (Ianina RABE)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manamafy aho ankehitriny
Momba ilay fitiavanao
Kilalao ireny fahiny
Fa tsy tena tia ianao

Raha sendra olana kely
Dia efa tady hisaraka
Tsy mifampiteny
Raha toa tsy mifanaraka

Tsy tena tia ianao
Satria ianao tsy mahatohitra
Ireo fitsapana kilalao
Tsy miaro, tsy manohitra

Ny tombotsoanao irery
No katsahinao hatrany
Ka nampihena ny hery
Sy tanjaka an-tany

Raha izao foana no iainana
Tsara raha misaraka
Tsy ho lafatra ny fiainana
Raha toa tsy mifanaraka

Ny fitiavanao ahy
Tsy miori-paka
Tsy laozan’ny ahiahy
Fa fitia lakalaka

Tsy anjara angamba
Ny antsika sy ianao
Matoa rovitra ilay lamba
Notafiko taminao

Aleo ho tapahana tanteraka
Ilay tady nampitohy
Mankaleo sy mandreraka
Raha ireny no mitohy.
--------
Lien:
1104 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ianina RABE
Inséré par : ianina
Date : 26/03/2014 07:30
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135