Tiako foana e (Ianina RABE)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa vasoky ny andro
Maina ny masoandro
Eny na dia malazo efa reraka
Na dia vizana tanteraka
Dia hamafisiko eto hatrany
Fa mbola tiako foana ihany

Lany mamy izy izao
Tsy misy tsirony intsony
Eny na ny volonao
Miongotra ambany ambony
Fa tsy hampiova ny ato am-poko
Mbola vetsoko sy kaloiko

Tsy mamokatra intsony
Lany hery amam-tanjaka
Tsy mahavita, hono,
Manamboatra zanaka
Fa hirain’ny foko hatrany
Ilay fitia mbola mamy

Mitarazoka daholo
Ireo Mampifalifaly
Ambony ambany manontolo
Efa reraky ny jaly
Fa na dia tsy manintona aza izany
Dia mbola tiako foana hatrany

Ilay endrikao taloha
Izay tsara mahafinaritra
Indrisy efa loa
Miketrina efa antitra
Kanefa hotiaviko eny ihany
Satria efa voadiko an-tany

Ny volonao izay tsara
Ilay nahafinaritra ahy
Efa niongotra tsy tana
Fa kaloiko am-panahy
Ny fitiavako anao
Tsy miova hatramin’izao

Ilay oditrao malefaka
Izay nisafosafo ahy
Indrisy efa nihepaka
Marokoroko mampanahy
Fa hohakafiziko eto foana
Mandrapahatapitry ny fotoana.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1104 1
Fans: ianina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ianina RABE
Inséré par : ianina
Date : 19/02/2014 14:54
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138