Tiako ve ianao? (Ianina RABE)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny volonao mainty toy ny alina
Ny masonao mibaliaka toa masoandro
Ny tsikinao toy ny volana isak’alina
Ianao mamirapiratra isan’andro

Ilay bika sy hatsarana
Dia tena hanananao
Ny foko tsy voatana
Fa manenjika anao

Sarotra no milaza
Fa tsy tiako ianao
Tsy aiko ny toy ny zaza
Ka mitsotra aminao

Aleo ho ahy irery
Izay tena ato am-poko
Asehoko amin’ny jery
Izay zavatra kaloiko

Ilay hatsaranao
Toa manintona ahy hatrany
Na inona na inona atao
Toa mitodoka mankany

Tsy tia anao aho
Kanefa voasarikao hatrany
Tsy babonao aho
Nefa manara-maso anao ihany

Tsy aiko izay tena marina
Izaho aza tsy mahafantatra
Fa mbola hiezahako fantarina
Ilay valin’ny ankamantatra.
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Fitiavana
1162 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ianina RABE
Inséré par : ianina
Date : 19/02/2014 14:45
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158