diam-penina (ihafatra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misandratra ny andro
Ka mipotra ny masoandro
Dia mitara-pazavana
Mba hanilo ny tanana

Kanefa mbola hody izy
Hanamaloka ny tany
Aza atao ahakivy
Fa misy fetra ny hatsarany

Fa izaho kosa
Noterena mba anoratra
Handrakitra tsiaro
Anisy diam-penina
Anaposaka indray
'lay akanton'ny soratra
Ho anao izay mamaky

Rakitry ny lasa
Tandindon'ny ho avy
Ho tsiahy ny fanahy
Tsy ho faty fa manahy
Ilay ampitso ankamantatra!
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1296 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ihafatra
Inséré par : ihafatra
Date : 19/02/2015 13:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135