Feno anao (iLémamy A)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy ampy anambarako ny ato am poko raha izay teny,
Toa maivana loatra tsy mendrika ho anao akory,
Miezaka aho ny hitady voambolana mavesatra kokoa,saingy indrisy...
Toa tiako ianao hatrany ny teny masaka ato an doha.
Mamiko ianao ihany no asesiky ity foko.
Toa iangaviko zato volana ambony sy irony kintana irony,
Fa toa tsy mety milaza
Toa tsy mety hamaly
Toa hindramiko rony rima mamy irony mba hampita aminao izato fihetsem poko sy lay afo mivaivay miredareda nokoboiniko,saingy toa mandamoika foana raha izay ireny...Afa nenina aho fa toa tsy voafehiko anaty teny.
Feno anao ny fiainako,afoiko anao ny androm piainako,nofy nofisinao no tiako hiainana,...


iLémamy A
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1339 2
Fans: pia - ILEMAMY
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : iLémamy A
Inséré par : ILEMAMY
Date : 21/03/2016 20:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137