Ampidiro aloha ny tenimiafina
Angamba leitsy (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA LEITSYAngamba leitsy
Ho nanaiky aho fa resy
Ka dia hanaraka an'ialahy
Satria izaho koa ange mba sahy
Raha mbola halatra fitia
Fahafirin'iza moa izay izaho
No hampangina lava izao
Ny fitsiriritam-pitiavana
Koa tsy mila ho tambazana
Raha hiaraka amin'ialahy
Satria tsy hisy mihitsy hahatazana
Isika koa ange tsy zazakely
Koa tsy ho sarotra velively
Ny hanamboamboatra konsiansy
Koa angamba leitsy
Tena ho mety
Ny hiarahako amin'ialahy
Ialahy koa manintona ahy
Fa matoa aho ny tsy ho sahy
Dia noho ny toetran'ialahy
Imbitika RAMBALA
--------
Lien:
