Ao anaty tsilena (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO ANATY TSILENA

Ao anaty tsilena baoritra no farafara
Ary gony efa momoka no solom-baravarana
No mifoha Ingahy rainy maimaika sao ho tara
Tsy mba misy andro fety na mba hivavahana

Ny pataloha tata-jaitra sy mihetra tady
Dia mivimbina kitapo, mihazo zaoridira
Manangona ny taolana sy ireo boatiboaty
Sao mba hisy hividy hahazoana vaingan-tsira

Poti-kanina masiso irombahina amim-boalavo
Izay aloha no misy zara aza mba mahazo
Tsy mbola hay koa anio raha hahavelom-patapera

Nony hariva mody indray, ny ampitso hojerena
Hojeren'iza anefa e... Sa misy tsiny azo homena !
Tsy tany miady anefa eto... Tsy misy baomba mianjera

Imbitika Rambala - 06/10/17
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
37 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013