Dia nosainiko ilay isika (Imbitika Rambala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA NOSAINIKO ILAY ISIKADia nosainiko Ilay isika
Mamonjy hodimirana
EFA sahirankirana
Ianao eo aloha
Miandoloha
Ilay fitia natolotro
Izaho indray mba motrotro
Ilay Tokyo nomenao
Ao aorianao ao
Dia nosainiko Ilay isika
EFA mamikavika
Lala-misokampy
Dia mifanampy
Sy mifampitsimbina
Serintseriny mivimbina
Ilay fananankelintsika
Tsy ho raraka na ho very
Ireny dianantsika ireny
Dia nosainiko Ilay isika
Rehefa ao an-tranontsika
EFA samy reraky n'y Dia
Mbola samy ihany ny minia
Mifampikarakara
E... Mananjara aho mananjara
Sahiko nosainina izany
Dia Ilay fisianao fotsiny ihany
Eto anilako eto ihany
Imbitika Rambala - 25/04/23
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
