Fitaovana (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITAOVANAIzaho no adala raha mba nanantena
Fa izaho ilay namana akaiky anao indrindra
Mbola izaho no adala raha toa ka sorena
Fa ny fitia kay tena mety azo afindra
Ny Vina soa niarahana nandrafitra
Ny hetsika rehetra namonoan-tena
Dia tafita isika rehefa samy niaritra
Ary velirano inona no tsy nifanekena
Saingy tampoka tsy haiko izay nanjo
Satria dia tena kopala eo am-bava fo
No nasetrinao ny fitiavako tamana
Nofy ange no iainana eto an-tany
Koa mbola samy hifoha sady eto ihany
Dia izay iray isika no ho lasa adala
Imbitika Rambala - 24/08/2017
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
