Hatao inona ? (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATAO INONA ?(L'hypocrisie)
Hatao inona ny fiantsanao ny anarako
Raha toa halaina ny kely mba ananako
Hatao inona ny fiangaviana fanampiana
Raha toa ka ho eso no setrim-pamaliana
Hatao inona ny tsiky volantsinana
Raha toa hatokana ho an'ireo nambinina
Hatao inona ny vola sy fahaizana
Raha zimba aman-tebaka no ilaizana
Hatao inona ny tanjaka sy hery
Raha toa ka ho ziogan'ny malemy
Hatao inona ny vavaka don-tratra
Hatao inona ny tambitamby ho ampiana
Raha toa ka odin-kevitra hanambaniana
Amin'ny vosobosotra arahin-datsa
Imbitika RAMBALA - 07/04/91
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo - Fiainana
