Ilay jerinao (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY JERINAO

Ilay jerinao nampiherika
Niantso ahy tsy an-kiteny
Nahatontonga antsika ho fefika
Ka samy tsy nisy naha hetsika
Fa avy hatrany tafalentika
Tanaty memy

Ireo masontsika nifanojo
Nampangorintsina ahy
No nizary ho ilay rojo
Nampitohy ny fanahy
Dia ny anao sy ny ahy

Ireo tsikintsika nifanena
Zary oroka sy hanitra
Tonga dia nihenahena
Misarangotra maharitra
Tsy mahasaraka ahy

Izaho mino
Fa samy tsy hanadino

Imbitika RAMBALA - 21/03/18
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
65 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117