ITY MIFARANA NY TAONA (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY MIFARANA NY TAONA

Zandry a,

Ity mifarana ny taona
Tsy mety leitsy
Fa injao minaona
Ireo ora vitsivitsy
Tamin'iny taona iny
Eny aza ny fahiny
Dia miverina tsy nahy
Manindry ny fanahy

Ny andro moa ity hariva
Dia inty mieloelo
Ireo oran'alahelo
Tony nefa dia mafonja
Misoko sady koa manonja

Dia mihamahery vaika
Na dia manjavozavo
Mamikitra tsy taitra
Toa faly fa nahazo
Toerana hamikirana

Zandry a,
Izaho irery no eto
Ny alina mirotsaka
Lavitra ny tany
Ny sento hoy aho mitosaka
Sy toa mananihany
Ary koa fetsifetsy
Manantena fa handresy

Diso paika izy leitsy
Fa raha mbola isika no isika
Tsy hitaraiky hamisavisa
Alahelo... hakiviana

Imbitika Rambala - 28/12/16 ERI-MASO 2
--------
Lien:
Catégorie : embona
337 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139