Izay very any (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY VERY ANY,

Izay very any leitsy dia very
Inona koa no itomaniana an'izany
Angaha moa dia ialahy irery
No iharan'izany eto antany

Izay ho avy koa aoka ho avy
Tsy hitako izay hampatahotra
Nahoana no resy tsy miady
Mirosoa ary fa aza miahotra

Tsy ho ary hitovy re ny firehana
Ny mahery no mahatsapa izany
Ka tsy hitako izay ifanenjehana
Fa ny adala no manesika ihany

Imbitika Rambala - 26/05/2020
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
10 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113